Nakamban'ny anjara (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Nakamban'ny anjara

Tsy fiteny na fihetsika
No mba nentiko namboraka
Fa ny fonao manan-dretsika
Avy hatrany dia niantoraka

Tsy mba nisy hoe "nahoana"
Tsy novaliana hoe "satria..."
F'isika roa raha vao nihaona
Dia efa tsapa samy tia.

Nefa tsy endrika na bika
Na koa fomba fianjaika...
No nampientana antsika
F'ilay fitia mahery vaika.

Dia indro isika roa tafaraka
Miray fo fa tsy mizara
Tsy mila toky variraraka
Satria nakamban'ny anjara.

Laharthe - 25-03-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1499 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 03/04/2017 19:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143