Raha toa aho... (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Raha toa aho...

Raha toa aho nanadino,
Tsy hoe tsy tia intsony
Fa niezaka aho ny hino
Hoe efa tsy ahy ny fony!
Fa efa lasan'ny hafa
Nalainy tambongadiny,
Ka aleo tsy hirafarafa
Ndrao hovonoin'ny vadiny.

Raha toa aho tsy nahatsiaro
Tsy hoe efa nankahala,
Raha fitia mifangaro,
Ny mety angamba miala
F'izay no fahendrena
Na dia voatery miafy
Aleo manaja tena
Mba tsy hananan-drafy.

Raha toa aho mody fanina
Dia mamono eritreritra
Mitady ho manimanina
Fa ndrao hanita-kevitra
Hanimba tokantrano
'Zay mbola vao mianatra
Ka mba tsy hisian'ny angano
Aleoko hodian-tsy fantatra.

Laharthe - 24-03-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fisarahana
956 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 03/04/2017 19:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139