FILAZANA MANJO (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin’alahelo lehibe no indro fa ampandrenesana
Anareo tapaka sy namana ary havana hatrizay
Fa indro lasa nodimandry, nindaosin’ny fahafatesana
‘Lay fitia tato am-poko, hatory ho mandrakizay

Rehefa nivahiny teto, volana vitsy teo ho eo
Dia nanomboka narary izy ary koa nanjoretra
Niezaka aho nitsabo azy, saingy loza no niseho
Fahafatesana masiaka, tsy niantra tsy nitsetra

Fa raha nahita ity rafiny ilay foko tena tia
Dia nangina tsy niteny fa nisento anaty ihany
Niezaka izy ny ionona fa hoe tsy anjarany ity
Saingy indrisy very maina, nandamoka ihany izany

Dia maty izy ankehitriny, ka halevina ao anatiko
Ranomaso sy alahelo ary hirifiry no navelany
Ny teny farany nambarany dia teny iray izay tsy tantiko
Hoe miara-milevina aminy hono ilay fitia tsy tanterany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1570 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
hasinina ( 12/05/2009 12:52)
tombon-dalana ny azy fa hanaraka eo daholo
ireo fitia marisarisa tsy nahasetra ady teto
fa raha maty ny ankiray mbola ho avy ny ankifolo
ka mahaiza ianao mionona: aoka izay ny sentosento
llaingoo ( 12/05/2009 13:21)
Fa mafy ihany ialy izy Hasinina a.
Misaotra nitsidika e.
vonjym ( 12/05/2009 15:20)
Hafa kely ny fampitany hevitra @ity tononkalo ity. Tohizo fa tsara.
aivetinakely ( 12/05/2009 20:51)
Tsy maty izy fa matory ao antratranao ny fasany
Nalevina kanefa tsy ory, fa matanjaka ny hafany.
Aza manadino azy, f'izy eo akaikinao hatrany
Io no lova izay napetrany, ka tanteraho eto an-tany
llaingoo ( 13/05/2009 06:12)
Vonjym-->Mankasitraka amin'ny fankafizana sy ny fankaherezana.
Aivetinakely--->Dia tsy hitady hafa intsony izany?
Manakasitraka anareo nandalo.

Laingo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145