INDRISY..... (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa noezahiko nalevina tsy hifoha intsony intsony
Lay fitiavanao nandalo sy niserana tanatiko
Efa noezahiko vonoina mba tsy ho velona sy hamony
Nefa indrisy fa vao maika nahazo faka ka tsy tantiko

Efa navaloko ho tantara ny andro teo anilanao
Niniako koa ny nampangiana ireo lasantsika rehetra
Efa narindriko hikatona ‘lay varavaram-poko tao
Saingy, tsy manaiky lay fitiavako fa manao amboletra

Efa noporofoinao tamiko ny tsy fitiavanao ahy
Efa nanao valifaty ampahibe maso koa ianao
Dia naodinao ‘lay antsy zay nandrasa ny fanahy
Mba ialako sy anadinoko ny fitiavako anao

Dia hangina aho izao rehefa trotraka sy ana
Hangina aho satria efa lasa sy tsy tana
Hangina aho ry niriko satria avy aminao izao
Ho ahy irery ny alaheloko sy reo ratra navelanao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1773 0
Hevitra mandeha
ANJARA7 ( 17/05/2009 10:44)
Aza mangina loatra fa mihira midera an'Andriamanitra dia hiverina ny hafalianao
llaingoo ( 18/05/2009 05:39)
Miarahaba an'i Anjara. Misaotra tamin'ny fitsidihana sy ny torohevitra.
Laingo
hery ( 31/05/2009 17:44)
Tsy azoko tsara ny firindran'ilay izy... nanaiky sa tsia?
raozigasy ( 31/05/2009 21:30)
Noezahiko fikirana ao an-tratra tsy hozaraiko
Ny alaheloko anao
Kanefa mafy loatra re, sy tsy tanty sombinaiko,
K’izao aborako izao

Noezahiko notanana, tsy hanehoana fahalemena
Ny jalijaly izay iainako
Kanefa mafy loatra re , ka tsy resiko resena
Ka farany dia itarainako

Noezahiko fihinina, hofefena tsy hitsoaka
Ny sento lalin’ito foko
Kanefa nahery setra loatra, ny fibosesiny nivoaka
Ka farany aho dia nitoloko

Noezahiko nantsoina, ny hasambaram-be rehetra
Niarahako sy ianao
Kanefa ny tambabe nataony, tsy nampiraika izato tsetra
K’ivalozako aminao

Noezahiko natao, ny hanadino vetivety
Ny fiainako sy ianao
Nefa ny ezako rehetra, tsisy izay iray mba nety
Satria Tiako loatra Ianao
mangidy ( 03/06/2009 13:53)
Nahoana no misy ny fanadinoana?
Nahoana tokoa moa raha tsy tsaroana?
Irony fitia nandalo fa tsy nitoetra
Nampitomany sy nampi tse tsetra

Kanefa hoy aho izao no iezaho
Atambatambaro fa aza avela ho lao
Ireo mamy sy lalao niaraha nanao
Nandritra ny fotoana nitiavany anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 10:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0273