IANAO (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no notsongaiko tao anatin’ny maro
Tsy mba manan-tsahala ka tsy tiako hafangaro
Ianao ‘lay mamiko indrindra mihoatra noho ny tantely
Ka tsy foiko hatramin’ny farany, tsy hariako velively

Ianao no handaniako ny herim-poko manontolo
Mandritra ny androm-piainako eto, eto anivon’ny tontolo
Ianao no natokako hiantana sy hiangotiana
Na anio na rahampitso dia izay no faniriana

Tsy misy afatsy ianao ary tena ianao irery
No nanolorako ny foko sy ilay fitia tsy mba an-tery
Ianao no voatokana mba ho afaka hanjaka
Ny fitiavako madio, tsy ilako olon-kafa

Raha tsorina angamba dia ianao no tena tiako
Tiako loatra e! tena tiako ary koa faniriako
Tiako ianao satria ianao, ianao dia tena ianao
Ka mambabo izany foko ry malala tsy fandao


Laingo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1321 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 13/05/2009 06:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164