RY TOVOLAHY!!! (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry tovolahy mpihetraketraka vehivavy
Mpanitsakitsa-tokatrano sady mpampijaly vady
Ho anao no nanoratan’ity tovovavy iray
Hieritreretanao tsara ‘zay vitanao hatrizay

Mahagaga tokoa mantsy ianareo lehilahy
Fa tena feno habibiana sady tena sahisahy
Azo ho sokajiana ho isan’ireo mpamosavy
Satria manao ody fitaka amin’ireo tovovavy

Tsy mionona amin’ny vady izay natolotr’Andriamanitra
Fa kitihina daholo na manana io na mahantra
Rehefa tratra anefa avy eo, tratran’ilay voafitaka
Dia mbola midingin-drambo fa tsy mba mangitakitaka

Avy eo dia mandatsa ilay tovovavy diso paika
Manao fitenin-jiolahim-boto sady tena tsy miraika
Ianao mpamitaka indray no miseho ho olon-kendry
Ka manatsatso ity zavavy tsy nahatontosa izay kinendry.

Kanefa kosa tadidio, fa boribory ny eto an-tany
Raha faly ianao anio rahampitso ianao tomany
Fa ny todim-behivavy tsy mba zakanao zakaina
Ary hivaly aminao mety hihatra aman’aina

Ry tovolahy, tsarovy tsara fa mpivahiny ianao
Tsy maintsy mbola hody vovoka na tianao na tsy tianao
Raha toa ka azonao atao, lelafina ny faladia
Aza ataonao kilalap ny tovovavy tena tia

Ry tovolahy à´! Mihevera, aza dia sondriana loatra
Izay vitanao teto anie, hanadinana anao any ankoatra
Sao lahy rehefa tonga any vao hanenina ny “inay”
Ndeha ho aiza intsony anefa, tsy maintsy kila sy ho may.
Laingo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1368 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 27/05/2009 08:29)
Kay ! Soa za tsy lehilahy kah ! Mamely mafy fa misy fahamarinany tanteraka na izany aza !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 13/05/2009 06:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02