MISY (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy endrika tsy foiko sady mamiko eto an-tany
Misy fijery mahafatifaty tena tsisy toy izany
Misy feo mambabo fo sady tena maharendrika
Aminao ry andrandraiko, aminao ilay tena mendrika

Misy tsiky tiako loatra izay mipoitra aminao
Misy fihetsika ankafiziko rehefa tonga ianao
Toa misy hery vaovao rehefa injay aho a mahita
Ny famindranao milanto sy ny endrikao sariaka

Misy toetra tsy voatanako sy tsy haiko hokobonina
Dia ny anaranao ilay fatratra izay matetika voatonina
Misy teny izay tiako holazainao am-pahamatorana
Mba ho ahy irery ihany ary koa tsy azo fongorana

Na fitafy na fihaingo, na habe na halava
Dia manosika ahy hitia, hitia anao lalandava
Koa raha mba misy ihany ny fitiavanao ry tiana
Dia atolory io ho ahy fa raisiko amim-pifaliana

Misy maro ireo antony mampanintona ahy anao
Ka ny mamiko indrindra dia izao lazaiko izao
Ary tena mba tsy foiko sady mamiko ho doria
Dia ilay toetranao matotra, tsotra, maro mpankafy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1087 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 13/05/2009 06:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0435