NY ORY TSY HAVAN'NY MANANA (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nolavinao ny faniriako raha nitady hamaharana
Noratrainao koa ny foko izay nikasa hasambarana
Fifankatiavana madio no nantenaiko nefa indrisy
Zary fankahalana ahy no hany tsapako fa misy

Olon-kafa mantsy izao no hitako eo anilanao
Olon-kafa tsara bika mendrika sy tia anao
Olon-kafa tokinao hotiavina mandra-maty
Olon-kafa tsy toa ahy fa kosa manana ny ampy

Olona mba hafahafa satria namako hatrizay
Nefa tsy nisalasala fa dia sahy namadika ahy
Olon-kafa tsy nampoziko hisompatra ny vetso-poko
Ka nahatonga ahy hisedra ny mangidy sy hitoloko

Nefa moa rehefa izay no finidin’ny fonao
Tsy misy azoko atao fa tanteraho ‘zay sitrakao
Ianao aza efa nandà  ity foko nanantena
Ny safidy samy manana ka tsy azo hifanerena

Izy mantsy tsy toa ahy fa kosa manna-karena
Maontina sy misy atao afaka hampanantena
Ianao koa toy izany tia azy ary matoky
Izaho kosa tsinontsinona toa irery sy kamboty

Ny holazaiko faramparany dia teny tsotra ihany
Aza esorina ao an-tsaina fa mihodina ny tany
Na dia alahelo aza no sitrakao ho zakaiko
Aoka hoa hy ny fahantrako...Misaotra anao ry lalaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1192 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 09:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163