SATRIA...DIA...... (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria rehefa fantatrao izany fahatsoram-poko
Tsisy miafina aminao ny toetrako rehetra
Dia vitanao ny nampirafy tany an-kafa an-tsokosoko
Sy nandainga tsara lahatra, teny fitaka tsy voafetra

Satria ianao mieritreritra fa hoe tsy misy ny mahita
Dia nanao adalana izay diso tafahoatra
Ka vitanao ny namadika ireo dina efa vita
Tsy nosaininao akory izay havoakan’ny ankoatra

Satria tia anao tanteraka aho eny tsapanao izany
Ary faniriako foana ny hitia anao ho doria
Kanefa noratrainao ity foko ka tomany
Dia ho tsoriko aminao ity vetsoko ity

Satria hevitra efa tapako ny tsy hitia anao intsony
Dia hangina moramora izany foko hanganohano
Koloy tsara ny raozinao vao hanomboka hamony
Fa ny antsika vonikazo maina kina tsy ampy rano

Satria nohararaotinao ny fahatsorana nananako
Ka nasesikao ny lainga ‘zay tsy tiako mba hananana
Satria tanatin’ny tena fitiavana no nosimbainao ny hasambarako
Dia tsaratsara amintsika ny miandrandra fisarahana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
805 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 09:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151