VOLANA IANAO RAHAVAKO (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diavolam-pararano, fenomanana madiva
Ka ny tarany botsiaka manazava ny hariva
Kanjo e! tsy ela akory dia nisoka anaty rahona
Mifamalivaly ireo toa tantely sendra vahona

Moa tsy izany indrindra ve ny fiainana eto an-tany
Ka ny androm-pifaliana dia dimbiasan’ny tomany?
Nefa kosa sanatria dia ho kivy ve ny saina
Raha sendra ny mangidy sy ny mampiferin’aina?

Iny volana misoka toa matroka tsy hita
Vetivety dia hitranga toy ny fefika tafita
Ka falifaly miramirana fatsy maty izy akory
Fa vao mainka manna-kery sady afa-tsorisory

Arakaraka ny sento sy ny loza izay mihatra
No antenao ny fifaliana ho raiketina ao an-tratra
Ny halalin-dohasaha no mampievotra ny havoana
Ka ny vesa-pahoriana no ho lanja-karavoana

Dia ataovinao an-tsaina fa iny volana iny mantsy
Sanatria tsy miova na ho vasoky ny ratsy
Fa ny rahona no miala toa menatry ny atao
Fa ny volana ho hita na dia takona aza ao

Rahona ny fahoriana vetivety dia ho lasa
Ka hiseho ny fifaliana dia hivadika ny rasa
Hay! Tsy aiza tsy aiza akory fa miandry ao ihany
Ary ao dia ao tokoa raha misy koa ny tany

Volana ianao rahavako fa tiako sady sitraka
Tsy miovam-pahoriana na ho lasan’ny mpamitaka
Sedraina raho-mainty vao mamiratra indrindra
Ny fitianao madio tsy maloto aza afindra

Volana ianao rahavako eny volana tsy miova
Ka ny zavatra iriko ho toetrao sady lova
Dia hadio tsy hisy loto sy hateza hazavà na
Na ho sendra fifaliana na ho tojo fandatsana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1107 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
Zozoro ( 25/05/2009 16:58)

"...Volana ianao rahavako..."

Ankafiziko ny vetsonao. Misaotra nizara.
llaingoo ( 26/05/2009 08:39)
Miarahaba an'i Zozoro.
Mankasitraka indrindra nandalo. Ary dia misaotra ihany koa t@ fankafizana. Laingo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 10:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0683