Ampidiro aloha ny tenimiafina
HO AN'I MAMA (LAVENONA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I MAMAMama o!
Satry dia satriko loatra
hiantsampy sy hamihina anao
nefa indrisy aho tsy afa-manoatra
ka izao manoratra izao !
Mama o! Efa aman-taona
no nandaozako anao sy ny taniko
Ka nefa tsarovy eny foana an!
fa tiako ianao sady mamiko!
Arahabaiko manokana ianao
nahatratra ny andro androany !
Andriamanitra anie homba anao
ary hitahy anao hatrany hatrany !
Mama o ! raha ny ato am-poko
no soratana sy tantaraina
Angamba na boky aza ataoko fa...
tsy hahatahiry ny tiako holazaina !
Ka ho solon'ny oroka mamy
sy fitiavana anatiko ao !
dia hivavaka ho anao hatrany
ity zanaka lavitra anao !
LAVENONA
--------
Rohy:
