RENIKO FAHAROA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENIKO FAHAROA

Raha nisy ny tena nitaiza
ianao koa a nisan'ireny
Tsy adinoko ianao na aiza na aiza
fa noraisiko ho toy ny reny !

Nitaiza ny ara-panahy
nanefy ahy mba ho tia vavaka
tsy sasa-nanatra ahy
ka amiko ianao tena miavaka !

Ny anatrao ombieny ombieny
tsy very maina tsy akory...
na raraka an-tany izy ireny
fa sitraka enti-matory !

Ka ho solo'ny valibabena
dia zavatra tokana ihany
no hany mba azoko omena
Hivavaka ho anao hatrany !

Ka tsy ny hanam-bola sy harena
Fa ny vavaka atoko dia izao
mba hahazo ny famonjena
ary handova ny lanitra ianao !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : RENY
109 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 29/04/2024 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253