TARATASY AVY ANY AM-PONJA (taratasy 2) (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasy avy any am-ponja (tohiny...)

I Zoky ihany letsy a! i zoky aty am-ponja !
Somary nalahelo sy nahatsiaro mangingina
dia niezaka nanoratra...na teny kely monja !
I Fely koa namangy dia mba azo niangaviana...
hitondra ity ho anao!

Inoako sy antenaiko fa salama tsara ialahy
eo ampamakiana ity taratasy ity !
I Zoky koa aty...mba tsara tsy manahy
fa noho ny hatsiaka fotsiny dia nihena nahia...
no sady tsisy harapaka !

Manembona tsy tapaka...ny zokinao aty !
Mibaby izato heloka...izay tsy mba natao
tsy namono olona aho akory sanatria fa...
noho ny endrikendrika dia izao migadra izao...!


Ny saina koa tsy mandry, ka dia mamisavisa
Velom-panahiana hany ka te hahalala hoe...
mandeha ve ny fianarana ?salama?... sy ny sisa
sahirana ara-bola ve ilay zandriko malala...
sa mba manao ahoana ?

Izay angamba letsy no voasoratro anio a!
Tapitra ny lera...famangiana androany !
Ny fiangaviako fotsiny aha mety dia valio !
Izay dia mandrapihaona izany zandriko izany !
Ny zokinao malala !

LAVENONA
18/04/2023
--------
Rohy:
46 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 08:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258