TSINGERITAONANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERINTAONANAO

Lahin-jiro iray tsy misy mofomamy
No nenti-mankalaza ny tsingerintaonanao
Tsy nisy koa mpanotrona hafa tsy iray ihany
Raha ny tombatombako dia ray na reninao.

Tehaka malefaka sy hira mangingina
Ireo no nandravaka ny fetinao androany
Kanefa nahagaga sy tena nahavariana,
Fa... rako-pifaliana ny any am-ponao any.

Dia lasa teo ny saiko hoe hay ny fifaliana?
Tsy mifidy harena na ory ianao na manana
Zava-poana ireny fa ny zavatra takiana
Ny fahaiza-mankasitraka ny eo ampelatanana.

LAVENONA
--------
Rohy:
57 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 24/04/2024 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.097