FA TORIO NY FILAZANA TSARA ('Lay fo hafa kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray ny saina voasarika haminany
voasinton-kira kanto, dia te-handeha ho any
tsy voasakana tsy tana mieritreritra fa injao
ilay voalaza ho Kanana...ilay Edena vaovao.

Atongilano ny sofina, hihaino izay mba tsara
fa tontolo hafa mihitsy ny fitoriana Filazantsara
toa dokam-barotra ny antsoantso hoe avia
fa famonjena be dia be no miandry anao aty.

Laroina an-dalana teny, lokoina fahagagana
tontolo andro dia ireny no vaovao ampitaina
ny fijaliana anaty tambesarana ho vokatr’ota
tongava, hisy rojom-bavaka ho an’ny mpanota.

Ny fijalian’ny fanahy toa iainanao isan’andro
vesatra taritina mandra-maty masoandro
ho tsapanao fa hisinda ka tongava mankaty
hivavahantsika io, dia hisava hiala ery.

Ny adim-piainana ve no mafy ka tsy laitra
fa dia maro no voasarika mirodorodo fa raitra
izato antso ho famonjena ato anaty fijaliana
hisinda ny raho-mainty ary hisy fifaliana.

Tsy hay intsony ny manavaka izay antso
fa mamiratra avokoa dia jambena izany maso
dia mamiratra tokoa tena kanto ny fitafin’
ny mpitarika manjelatra, hitanao fa tsy mihafy.

Fa fitaratra vita ho azy, mampiseho izay fitahiana
nantsointsoina hatrizay tena lavi-pahoriana
raha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza
fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza.

dia miroborobo fatratra ny onjam-peo fiderana
tontolo andro tsy mitsahatra, fa anio ny famonjena
ka tongava, ka tongava, tsy manavaka fa avia
fa ho hitanao ao ny fiasan’i Kristy...

Nefa anie ny voalaza voatahiry anaty boky
dia ilay tsy mbola niova, ary mbola azo toky
ilay nezahina lotoina fa mbola voarakitra madio
no mamaritra mihitsy... jereo anie ny Matio.

Toy izao no voasoratra, ao amin’ny toko faha 24
andininy vitsivitsy na dia tsy izy manontolo:
«Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo
fa ho maro izy ireo no hilaza fa izao :

Izaho no Kristy, ka ny voafitaka ho maro
noho ireo mpaminany sandoka mitsangana mifangaro.
Koa raha misy milaza manao hoe aty Kristy
ny finoana hamafiso fa mbola hisy hilaza : Indro ary

Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany ihany koa
haneho famantarana sy fahagagana tokoa
fa raha mbola azo atao, toy izao ny safidiny
na ny olom-boafidy aza anisan’ny hofitahiny.

Koa amin’izany, raha misy milaza manao hoe :
Indro any an-efitra Izy, dia tandremo izay aleha
na ao amin’ny efi-trano Izy, mitandrema, aza mino
fa izao no lazaiko, tsarovy, tadidio, aza adino

Fa tahaka ny elatra avy any atsinanana tsy mitambolona
ka hita hatrany andrefana, tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona
Fa ny amin’izany andro sy ora izany, dia tsy misy mahalala
na ny anjelin’ny lanitra ary na ny Zanaka aza

Koa amin’izany, miambena tsara ianareo
hamafiso ny finoana, mivavaha aza leo
fa amin’ny ora tsy ampoizina, dieny izao miomana
aza resi-tory, mivonona ambeno ny tanàna

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena
fa mbola hotoriana eran’izao tontolo izao ilay fanekena
dia ny FILAZANTSARAn’ity fanjakana ho vavolombelona
dia izay vao tonga ny farany, dia ilay FAMONJENA...

Ka MIAMBENA....MIAMBENA ...»
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1694 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013 15:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0402