You are here: home > Vetso

Anja ! - Lebota

Azo vakiana?

Atolotra ho an'i Anja sy izay zatra mametrapetraka sy mampirafy !

Anjaran'olon-kafa
Efa tia hatram'izay ianao ry Anjako
Ka aza manatsafa
Mamoron-dainga bala rora
Ampirefotra ny vanjako.
Fa ny lohakelinao
No niondana ny tratrany
Dia ny tananao roa
No namihina ny vatany !
Omaly hariva io !
Ora vitsy monja tamin'ilay fotoanantsika.
Resinao aho ! Hana, vaka, nangatsihaka!
Eny é ! Fantatro ny fitiavanao ahy
Saingy maso sy sakay ny fitiavanay roalahy !
Ka aza amboamboarina
Anotoranao ny marina
ny hatsaranao tsy hafiko.
Avelao hilendalenda
Hijery anao manoroka azy
Ny molotro sy masoko.
Ary alao ny tananao
Tsy hitana ny fitafiko
Sao ny fofon'olon-tianao
Hifangaro fofon'alahelo
Dia ny fofom-balifatiko.
Mialà !

Lebota (Clarys)

Hevitra mandeha

nyeja (08/05/2004 07:15:16)

masiaka dia masiaka ny tononkalo, asa tao anaty hatezerana ve ny mpanoratra no nanao azy ?

hendry (08/05/2004 13:40:51)

Tao anaty hadisoam-panantenana ngamba o?

Clarys (08/05/2004 21:57:50)

Misaotra anareo ! Fantatrareo ihany fa mafy izany hoe "voafitaka" an ! Tao anaty fahadisoam-panantenana io no nosoratana ary tena miantso "valifaty". Soa ihany aho fa bandy tsotra sy tsy mpanao andolom-po! hi hi hi !

hery (11/05/2004 13:17:39)

Iza leisy izany Anja izany k'lé. Sao dia mba sipa fantatro? Aleo fa ataoko mamay :)

rinakely1 (26/06/2005 01:02:04)

d mahereza zany ra clarys fa hitanao le viavy tsy hita b ihany ze tena ilainy e!

Hametraka hevitra

Midira aloha