Sambatra (Lova)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay aho fihininao,
Na hiboridana ny vatako ato anatin' ny ririnina
Na tokony hihovitry ny hatsiaka, raha fihininao aho tsy haninona
Tiako ho fantatrao fa mamiko, izany hoe fihininao
Fa misy izay ampy ahy, ao anaty sandrinao...

Rehefa injay aho fihininao,
Toa hadinoko ny ratra izay nanafika ny fiainako
Tsy misy intsony aretina hafa, hitalahoako sy hitarainako
Na ny tany itsahiko aza, na tany maina lasa edena
Na ny rahona tazaniko, miova ho raozy menamena

Rehefa injay aho fihininao
Misento tokana ny foko, misentosento,n' ny hafaliana
Lasa hoazy ny alahelo, rava hoazy ny hakiviana
Tsy mahatsiaro ambonin' ny tany, nisinda koa ny adintsaina
Fahasambarana no tsapako, mamiko ery ny miaina

Mbola (Mars 2003)
--------
Rohy:
1246 3
Mpakafy: orabory - ngafy - agnay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 05/12/2005 00:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165