Izaho koa ... (Lova)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nipaka tao antsainy, fa nisy zaza tena tia
Nisangisangy tanoloany, nampianariny nandihy,
Tsy nipaka tao antsainy, f'ilay mpisavika ny sorony
Mitia azy mangingina, nitsiriritra ireny molony

Tsy nipaka tao antsainy, fa nisy fo nidobodoboka
Nilongolongo tanoloany, nefa tao anaty roboka
Tsy nipaka tao antsainy, f'ireny harika indraindray
Aretim-po ninia-nafenina, efa nihombo nahamay

Tsy nipaka tao antsainy, sa ny tahotra no betsaka
Na ny eritreriny tsy nandry, sao ny fony hihetraketraka
amin-jaza ts'isy tasy, ka naleony angamba nionona
Tsy nipaka tao antsainy, sao handratra zanak'olona

Tsy nipaka tao antsainy, fa nisy fo te ho anjarany
Nitady lavitra ny sainy, niova hoazy ny tantarany ...

Mbola (30 mars 2003)
--------
Rohy:
1545 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 05/12/2005 00:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148