Tsy nampoiziko (Lova)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nipaka tao antsaiko, satria ianao toa mbola zaza
Tsy nipaka tao antsaiko na dia toa mba satriko aza
Ny takolakao mitsiky, mahafinaritra aoka izany
Fa ny masonao mijery, nisakana ahy tsy haminany.
Tia anao mangina aho fa niniako notakonana
Nilefitra aho, nanaja tena, nanahy aho sao hisy olana (...).


Taona maro tato aoriana, nitombo ianao sy niha mantotra
Notadiaviko aok'izany, hanamafisako ilay fatotra.
Ny hiaraka aminao no tiako, sy hanorina ankany.
Fa ny anjarantsika kosa, toa tsy nahafantatra an'izany.
Tamin'io fotoana io no nadrenesako tsy nahy
F'efa nisafidy ianao, ka tsy afaka ny ho ahy.
Eny antsandrin'olon-kafa no mba niantsapazanao
Ka fitia nifanomezana tsy nampoizina hifandao.
Rako-drahona ny fiainako tamin'izay fotoana izay.
Nihodinkodina naka arina, ny maso no nangaihay.
Izay tazaniko rehetra, toa maina sady ngazana
Hany hery nisafidy ny handao ny tanindrazana (...)


Nifandimby teo ny volana, ka nitambatra ho taona
Toa kisendrasendra angaha, iny isika fa nihaona
Nifanena indray isika, nifampilaza izay nanjo
Nifanatona ny molotra, nifamatotra ny fo.
Notanterahina amin'izay ireo nofintsika maro
Ka ny nofontsika mihitsy no nampiraisina hifangaro
Satrintsika hitohy ireny, fa tsy ho tapaka tsy akory
Nefa ny elanelan-tany sy ny adidy..., mampahory.


Aiza hoaiza isika izao raha bajinina ny hoavy?
Sarotra ny maminany f'aoka aloha hizotra hoazy.
Te hanontany anao aho, dia ho sitrakao ve
Raha taratasy lava izao no ifandraisako amin'isé?
Raha ny amiko dia tsotra, tsy mbola hitako izay farany.
Toy ny habakaba-manga, omena antsika ts'isy sarany.
k'aleo aloha hajanoko eto izy ity sao dia mivaona
Ka ny mamy sy ny vetiny, lazaiko anao rehefa mihaona.
....

Koa ankehitriny ary, anjaratsika ny mifidy.
Izay mba mety hoavintsika, na ho mamy na mangidy ....

Richieux (25 Mars 2003)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2315 6
Hevitra mandeha
hery ( 11/12/2005 14:56)
Gravy be ilay tantara. Fitia voarara sa fitia iniana raràna. Sé ki risk gagne :-)
endrika01 ( 19/08/2009 07:24)
Mampalaelo leu tantara! Anjaso alou haka mosoara,snif!
endrika01 ( 19/08/2009 07:25)
De nanao ahoana ny tohiny!
Mysento ( 19/08/2009 13:29)
Zany ka aingam-panahy =D
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 05/12/2005 00:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109