ANDROANY HARIVA - MAZ RAMANA
Azo vakiana?
Androany hariva...
Kendakenda hoaho ny tena,
raha manopy mianandrefana an'iny lanitra iny,
Isan-takariva...
Mamelon-dakolosy any ambadimbadika any
ireo namoy ny havany, nalevina androany,
any ampasana tsy hita...
Mitakokokoko eny antsisin-drindrina eny, miafina ny rivotra,
manisa ny mpandalo
'ry mpangataka eny antsena...
Mihivingivina mifona 'ry mpandray mafanafana,
marikivikivy rora
migaleoka tapa-bera...
Mitsokatsoka mafy ny ati-kaopiny mamay,
mitangorona kafé eny antsisindalana eny
'ry mpirava mandeha tongotra, mba makamaka aina!
Misento moramora 'ry lazon'ny aretina,
mandinika any ampony raha mbola ho velon'aina
hahita ny masoandro ny ampitson'io maraina...
07/07/2022 à 18h22
Hevitra mandeha
hery (08/07/2022 03:26:09)
Rehefa ny poeta mandinika ny manodidina azy ????
MAZ RAMANA (08/07/2022 05:24:59)
Mombamomba
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 07/07/2022
Mpamangy : 272
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
ZIOGA***SARANGOTRA***
RAHATRIZAY
EFA AMPY
ANY HO ANY
SITRAKA
Trano rava 2.0
TRANO RAVA
FOLAKA
HELOHY