MITADY (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malalako,
any ianao 'zao, mandrindrina irery
ny efitranontsika, fa alina ny andro

dia ... mandroso ny sakafo,
lovia iray monja no indro arosonao
ambin' ny sakafo atoandro

Alaminao ny lamba firakofantsika,
nampianao bodofotsy mba tsy hangatsiaka!
Dia raisinao ny zanako,
fihinin' eo an-tratra, hanakona ny ratra
amin' ny alahelonao,
... mantsy moa tsy tazako?

Tsapako avokoa, ny vazo izay mandalo
ao an' eritreritrao
Hitako ihany koa, ny tazon' hakiviana
'zay isaloranao

... Ianao, - manirery velom-bady -
kanefa ataoko ahoana?
Izany 'lay mitady ...!


Izaho koa aty, tsy poizin-tory mihintsy
fa manina anareo,
Misasatra no sady, miharitra ny ady
handresy ny toreo,

Aza kivy akia malala,
isika tsy adala!
Mahareta kely fotsiny
'Zaho mantsy mahalala
ary tsy misalasala
F' izao no fanafodiny ...

ManĂ na faharetana, minoa fotsiny ihany
ary dia taizao ny zaza
Fa kely sisa dia, tsy maintsy tongako any
hivimbina aina vao
na aza izay sahaza !!!


(27-08-08. Lubumbashi DRC)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
245 2
Hevitra mandeha
anjoria ( 30/08/2008 14:30)
Fitadiavana marina mahazaka maniraka e!
zoukimi ( 09/09/2008 19:38)
http://manafo-safo.over-blog.com/
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : zoukimi
Daty : 27/08/2008 16:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098