NY AINGAKO (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny manao ahoana no entina milaza
ny matoatendro-poko te ho hipoka tantara?
Ny fameno foana no manezaka hanazava
ka mampiova loko izay tian-ko ambara

Ny drafitra apetrany efa tsy hita intsony
fa mivadika mazàna ka manafoaka saina
Mba aiza re ny setrin' ny ainga toy itony
Izay mandrakotra hafanàna sy mamelombelon' aina?

Raha misy akademia afaka hizara
ireo filozofian' ny fitiavako adala
Avia tongava aty dia mitondrà gitara
fa asiako do - re - mi mba ho maro mpahalala
fa ny aty, ny FITIA: tsy mba mety lany zara !!!

Andon' Ny Aina
--------
Rohy:
305 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
zoukimi ( 05/11/2008 15:22)
http://manafo-safo.over-blog.com/articles-blog.html
sarondrahona ( 08/11/2008 15:31)
ambara ankitsirano
sy tsy afenina amin'ise ry zandry mbola hitia,
fa aza maika loatra
raha sarotra ny lalana,
na ratsy sanatria !
ary izao no tano :
ampoizo ny hitsotra
hanaiky anao ho tiana
fa ampoizo koa
ny tsy maintsy hitsivalana;

ary indrindra indrindra,
ataovy an-tsaina tsara
sy mba fantaro aloha
izao lalàna izao :
"tsy rehefa tia ianao
dia tsy maintsy hotiavina
na rehefa mba mitady
dia tsy maintsy hotadiavina"
fa ny anao faniriana;
dia hevero fotsiny hoe:
mitovy tsisy valaka
amin'izay fananan'olona rehetra niangaviana!!!

ka dia folahy ny saina
ho zatra fisedrana
na mba hahatanty ho reraka,
fa tsy rehefa tia
dia manantena hitana
na rehefa faniriana
dia tsy maintsy hotanteraka
fa misy fetrany io;


ka hitia ise ry zandry,
haniry ZANAK°OLONA,
dia ireo no tadidio !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (Tél: 032 62 897 51)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : zoukimi
Daty : 05/11/2008 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148