NOELY MAMIKO (Mbola tsy fantatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy ny noely tena tiako sy tsaroako ho tena mamy,
d' ilay isika nilalao ny tantaran' i Jesoa ...

Ianao Maria, izaho Josefa
ka nataoko tamin' ny fo ny teny rehetra izay niantefa
sy nisafoiko kibo anao tao anaty tranon' omby
Ka nony terak' i Mpamonjy,
na ny magy izay namangy na ireo mpiandry ondry
tsy nosainiko aloha fa tsikinao no tao an-doha

Ny fitopam-bolonao sy ny fihetsi-tananao
no nandrevo saina ahy;
Tsy nahatsiarovako intsony izay tokony ambara
amin' ny maha-Josefa ahy
... ka nahasimba ilay tantara!

'Zay tsy anenenana satria
nampivoatra ihany kosa
ilay fitiavana niavosa
tao am-pontsika roa ...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
343 1
Mpakafy: endrika01
Hevitra mandeha
zoukimi ( 09/09/2008 19:39)
http://manafo-safo.over-blog.com/
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mbola tsy fantatra
Nampiditra : zoukimi
Daty : 23/08/2008 21:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139