Adinoy ny lasa ratsinaoS (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adinoy ny lasa ratsinao
Soloy fiainana vaovao
Ny hetraketraky ny tany
Avelao hivalona any

Ny làlana nandratranao
Fadio ny miverina mankao
Satria nitondra fahoriana
Tsy nahitanao fifaliana

Ny tavanao kotsan-dranomaso
Rakotr'alahelo noho ny ankaso
Fenoy tsiky ombam-pifaliana
Hanafaona ireo fijaliana

Mitrakà,mijoroa, aza kivy intsony
Fa ny ambany anie mbola ho ambony
Ny fiainantsika kodiaran-tsarety
Raha te ho sambatra dia manaova ny mety


Hajanirina Mahavaly
--------
Rohy:
602 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 15/04/2020 11:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095