Misy Hery (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hery iray mifono mistery
Hery tsy hita maso fa miery
Hery mitondra hafaliana ihany
Hery koa mandrotsaka tomany

Hery mampifankatia tokoa
Hery mampitony ratram-po
Hery iray tsy hay tohaina
Hery mety haningotr'aina

Herin'ny Fitiavana afo mivaivay
Mandoro sy mandratra raha tsy mahay
Mahasambatra raha toa ka voakolokolo
Mahasoa ihany raha tsy hanaovana bontolo

Herin'ny Fitiavana mety ho soa mety ho ratsy
Fitia mifamaly mety ho lasa valifaty
Koa lanjalanjao izay rehetra hatao
Fa mety hitondra soa na hanenenao

Henoy ny fidoboky ny fo fa aza mafy loha
Ny fanapahan-kevitra diniho sy saino avokoa
Ny herin'ny fitiavana anie ka tsy misangy
Na ianao mandresy na koa mety ho dangy.

Hajanirina Mahavaly ( 12/09/2023)
--------
Rohy:
146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 03/12/2023 03:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136