SOA FA EO JESOA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy takatry ny sainay ry Tompo
Ny hitondranao anay Mpanompo
Fahoriana mifananao sesilany
Zary mampisento sy tomany

Maro koa ireo olana saro-bahana
Sedram-piainana miampy fitsapana
Efa mahakivy sy mahatorovana ny saina
Izay miseho rehetra efa mila haningotr'aina

Soa fa eo Ianao Jesoa malala
Tsy mba nidify na koa hoe niala
Miaraka aminay hatrany tsy niery
Ny teninao no sakafo mampahery

Ny andronay atolotrao sisa rehetra
Hanompoanay anao tsy misy fetra
Ka na aiza na aiza no haleha
Tompo รด, Ianao no hataonay ho rehareha.

Hajanirina Mahavaly (31-07-2022)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 22/11/2023 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139