Hiezaka hanadino anao aho (Hajanirina Mahavaly)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka hanadino anao aho ry tiako
Satria tsy ho tanteraka ny faniriako
Hiara-dàlana aminao, hiombona fitia
Ny fikasako ho mandram-pialantsika ety

Hiezaka hanadino anao aho ry tiako
Satria hinianao tsy fantatra ny fisiako
Izaho ilay nitia mangina anao hatrizay
Maniry hitantana anao mandrakizay

Hiezaka hanadino anao aho ry tiako
Ny mieritreritra anao zary lasa fahoriako
Eto izaho irery mila anao mba te hitafa
Hay ianao efa eny an-tsandrin'olon-kafa

Toa tsy ho hitako intsony izay hatao
Ka aleoko miezaka hanadino anao
Na izany aza tsofiko rano ianareo roa
Ka ny fitiavanareo dia ho lamban'akoho

Hajanirina Mahavaly (29/07/2021)
--------
Rohy:
705 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 29/07/2021 08:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0433