VELOMA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsapako ato am-po
Fa mifankatia isika roa
Mifampizara hafaliana
Miombona amin'ny fahoriana

Misy hery mampifamatotra
Na amin'ny mora na ny sarotra
Miara-dàlana eny foana hatrany
Tao anaty tsiky sy tomany

Ankehitriny isika tody sapanana
Hifarana eto angamba ilay fiarahana
Ny fifandraisantsika kosa hitohy hatrany
Raha mbola samy velon'aina eto an-tany

Aza malahelo na mandrotsaka tomany
Lalam-piainana avokoa izany rehetra izany
Ireo zavatra izay natomboka rehetra
Tsy maintsy mifarana eo amin'ny fetra

Tongava soa amin'ny tanjona izay kinasa
Banjino ny ho avy ka hadinoy ny lasa
Hotahian'ilay Nahary ka dia mirary soa
Tononiko ho anao ny FIADANAN'I JESOA

Hajanirina Mahavaly ( 19-11-2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 19/11/2023 16:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.057