NANGINA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nangina izy ka tsy nety niteny
Aleony hono tazomina ho azy irery
Ny adin-tsainy mibahana ao an-doha
Niafiny foana ihany na dia namparary fo

Niezaka aho nanantona sy nanontany
Tsy namaly izy fa nandrotsaka tomany
Nahoana loatra re hoy aho no dia izao
Ho ranomaso foana ve ny fiainanao?

Alahelo , sentosento niampy ranomaso
Fijaliana , fahoriana tena feno ankaso
Nolalovany avokoa hono izany rehetra izany
Sompatra loatra re ny fiainana eto an-tany

Nahatsiaro resy izy ka nisafidy fahanginana
Raha minia miteny mety tsy hisy filaminana
Tsy misy nahoana na satria no anton'izany
Safidy ny azy k'aza lany andro manontany.

Hajanirina Mahavaly ( 02/11/2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
197 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 07/11/2023 05:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137