You are here: home > Vetso

FANDALOVANA - Hajanirina Mahavaly

Azo vakiana?

Mpivahiny izaho sy ianao
Eto amin'izao tontolo izao
Koa samia mandini-tena
Fa ny tany tsy hipetrahana ela

Mandalo izao fiainana izao
Manaova soa sy ny tsara
Raha mbola misy azo hatao
Mba hiadanana any am-para

'Ndao hifamela sy hifankatia
Dieny mbola an-dalana ny dia
Fa ny tanjontsika rahatrizay
Handova ny tranon'ny Ray

Miverena ao amin'i Jesoa Kristy
F'aza variana amin'ny fiainana etỳ
Fa ao aminy no misy ny soa
Izay tsy manam-paharoa

Anio dieny ny anio tapaho ny hevitrao
Mibebaha , hiala amin'ny ratsy fanao
Indro ny Tompo manatsotra ny tànany
Efa vonona Izy handray anao ho zanany

Hajanirina Mahavaly ( 30/03/2021)