FETIN'NY RENY (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro lehibe tokoa
Ity andro anio ity
Atao hoe andro malaza
No sady manan-danja

Fety voatokana
Ho anareo Reny
Ka fiarahabana manokana
No voalohan-teny

Arahabaina ianareo
Ry reny tsy an-kanavaka
koa indro izahay zanakareo
Mitondra sy mahatsiaro am-bavaka

Tolorana firarian-tsoa
Ho tahian'ilay Tsitoha
Ka tsy hisy hankahala
Na ireo hendry na adala

Na dia teo aza i dada
Mbola hafa ihany i neny
Nitaiza sy nikarakara
Tsy nikely soroka ombieny

Fitiavana sy fahendrena
No asetrinay ankizy
Ho valim-babena
Tsy angano fa tena izy

Tsaroana manokana ireo kamboty
Nilaozan'ny reny , fihantana sy fiangoty
Aza kivy na ketraka fa mijoroa
Tsy irery ianareo fa mbola eo Jesoa

Mafy tokoa rehefa fetin'ny reny
Mivetso mangina ireo fahatsiarovana
Fotoana mamy niarahana tamin'i neny
Vonton'alahelo no sady torovana

Na mafy aza anefa tonio ny fo
Ny fitiavan'izy ireny no tehirizo am-po
Avadiho fifaliana ny sento sy tomany
Tsikitsiky lava tsy hanam-piafarany

Hajanirina Mahavaly (30/05/2015 à 23:30)
--------
Rohy:
1349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 19/05/2021 06:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136