You are here: home > Vetso

FISAORANAMisaotra anao - Hajanirina Mahavaly

Azo vakiana?

FISAORANA

Misaotra anao izahay ry Ray
Noho ny fitiavanao anay
Nahatratra izao fotoana izao
Noho ny fitantananao

Nifankatia tokoa izahay
Nitoeranao Jehovah Ray
Tanteraka aminay hatramin'izao
Ny Fitiavan-dehibe avy Aminao

Tao ny tsiky sy tomany
Fitsapana mahamay
Nifalianay hatrany
Satria avy aminao ry RAY

Mivavaka izahay ankehitriny
Ny mbola hitahianao ny fiainanay
Ka mbola hifankatia hatrany
Anio ,ampitso , rahatrizay

Hajanirina Mahavaly (12/12/18 à 09h52)

Hametraka hevitra

Midira aloha