You are here: home > Vetso

FITIA TSY ANJARA - MHJB

Azo vakiana?

FITIA TSY ANJARA

Tsy natao hiara-dia izaho sy ianao
Ka voatery tsy maintsy hifandao
Nosarahan'ny lahatra sy ny anjara
Ka hifarana eto ny tantara

Samy manan-tompo isika ankehitriny
Lefy tamin'izany ilay fitiavana fahiny
Fitiavana niredareda tokoa
Kanefa nitondra ratram-po

Angamba efa izao no Anjara
Safidy ihany koa angaha
Fiononana sisa no azo ambara
Miantsa tononkalo eto am-parafara

Aza malahelo na mandrotsaka tomany
Fa izay ilay fiainana eto an-tany
Mety ho ratsy , mety ho tsara
Fa ny antsika FITIA TSY ANJARA.

M.H.J.B (07/12/18 à 12:00)

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha