FITIAVANA MANGINARaha v (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA MANGINA

Raha vao nitopy ny masoko
Dia indro taratro ianao
Nitsefotra aoka izany ny foko
Raha nolalovanao

Nandeha ny andro,nivadika ho volana
Tsy afaka ato an-tsaiko 'zatsy endrikao
Toy ny vao omaly ilay fotoana
Nahitako 'zato hankantonao

Tena tiako ianao ry zazavavy
Saingy vahotra aho ny hanambara
Ilay fitiavana efa tena latsam-paka
Tiako hanoratana tantara

Nofy ihany angamba ny ahy
Satria aho tena tsy ho sahy
Hamboraka ilay teny avy ao am-poko
Hany ka velon-tsento sy toloko

Raha mba fantatrao mantsy akia
Ny fahoriana ao anatiko ao
Miheritretritra ilay fitia
Tsy voambarako aminao

Hajanirina Mahavaly 11/10/2019
--------
Rohy:
1037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 25/10/2019 10:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139