MIFANKATIAVA - Hajanirina Mahavaly
Azo vakiana?
Ity misy hafatra tiako ambara
Koa samia àry isika mihaino tsara
Mifankatiava dieny mbola azo hatao
Fa mandalo anie izao fiainana izao
Ity tanintsika ity tsy hipetrahana ela
'Ndao hifankatia sy hifanasoa ka hifamela
Didy napetraky ny Tompo izany ho ahy sy ianao
Ka saino sy diniho sao dia hanenenanao
Aza be fangatak'andro na manamafy fo
Mifamdraisa tànana ho toy ny mpiray tampo
Aoka izay ny adilahy sy fitsitokotokoana
Fa raha izany foana tsy hitondra fandroasoana
Ny Fitiavana hono mantsy no lehibe indrindra
Koa andeha re isika hiaraka hamindra
Izay mitambatra vato , ny firainsan-kina no hery
Andao hiainantsika fa tsy zary ho tsianjery
Hajanirina Mahavaly (19/07/2021)
Mombamomba
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly

Nampiditra : MHJB
Daty : 19/07/2021
Mpamangy : 593
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FANIRIANAMIANTSO ANAO NY TOMPO
Hiezaka hanadino anao aho
FITIA DISO FIANTEFA
FETIN'NY RENY
FANDALOVANA
Ora vitsy sisa no isaina
Tonga indray re ny Noely
Fisaorana
Na mandalo sedra mafy aza