HO AVY NY TOMPOHo anao (Hajanirina Mahavaly)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY NY TOMPO

Ho anao izay kivy amin'ny zava-manjo
Very hevitra ianao ka mamoy fo
Mijoroa, mitrakà fa aza mitomany
Ho avy amin'ny heriny ny Tompo hanafaka izany

Tsarovy fa ny fiainana tsy hilaozan'olana
Indraindray aza moa miha-mafy ilay fatorana
Na izany aza anefa Kristy no jereo
Fa izy irery ihany no hanafaona ny toreo

Ho anao izay manjehy andro lava amin'izao fiainana izao
Anio dia ny anio àry tapaho ny hevitrao
Manolora tena hanao ny asa fanompoana
Ho avy amin'ny heriny ny Tompo ka manàna finoana

Aza variana miala bala mankatsy sy aroa
Toa zary mandà ny antson'i JESOA
Miantso anao Izy anio hanova fitondran-tena
Ho vavolombelony handrakotra ny firenena

Hajanirina Mahavaly (21/11/19)
--------
Rohy:
828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 22/11/2019 08:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157