You are here: home > Vetso

Isaoranay ianao ry Ray No - MHJB

Azo vakiana?

Isaoranay ianao ry Ray
Noho ny fitiavanao
Fa indro nomenao
Ny taona vaovao.

Fitiavana sy famindram-po
No natolotrao anay
Ka sambatra sy tretrika tokoa
Dera, laza ,no asetrinay

Mba tahionao ry Jesoa Tompo
Izahay mpanomponao
Mba hiroso hatrany
Hanao ny irakao

Ka ity taona izay ho diavinay
Apetraka eo am-pelatananao
Ianao ilay RAY mandrakizay
No aoka hanjaka ao.

M.H.J.B (01/01/15 à 01:06)

Hametraka hevitra

Midira aloha