MIFONAMifona aho ankehi (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFONA

Mifona aho ankehitrio
Raha toa nitia anao
Fa io fitiavana io
No niraikitra ao anatiko ao

Tsapako toa mampijaly
Ny foko sy ny saiko
Ka nanjary nankarary
Mila haningotra ny aiko

Tsapako eto mantsy
Fa misy ny hadisoako
Koa aza mba miantsy
Na mampiditra toloko

Anio aho mba miangavy
Ny hamerenanao indray
Mitalaho ry zazavavy
Ny finamanantsika hatrizay

Koa mba raiso re raha sitrakao
Izao fifonako izao
Hifankatia isika ho toy ny mpianadahy
Izany no ho tanteraka , hasambarana ho ahy

Hajanirina Mahavaly (28/05/15 à 23:44)
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 31/10/2019 07:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148