You are here: home > Vetso

Mitonia ianao ry foko Na - MHJB

Azo vakiana?

Mitonia ianao ry foko
Na mafy aza ireo toloko
Mampitondra fahoriana
Ka zary lasa fijaliana

Aza dia misamboaravoara
Fa tsy izay akory no anjara
Semban-drahona nandalo
Ka aza atao mampimalo

Mbola ho avy ilay maraina vao
Hitondra hafaliana ho anao
Ny hazavana ho tonga hamalifaly
Hanaisotra ny sento sy tomany

Hisaory avokoa izay miseho rehetra
Satria izy ireny ange ka manam-petra
Aoreno ny finoana sy ny fanantenana
Ny filaminanao tsy hanam-piafarana

M.H.J.B ( 08/05/2020)








Hametraka hevitra

Midira aloha