NOELY (Hajanirina Mahavaly)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga indray ny andron'ny Noely
Fotoana sarobidy sy manan-tantara
Fahatsiarovana an'i Jesoa zazakely
Nitondra famonjena ka tsy nisy very anjara

Mifaly avokoa ny olombelona eto an-tany
Fa tonga ilay Mesia nanafaona ny tomany
Izy no Mpamonjy izao tontolo izao
Mendrika hoderaina fa Mpanavotra ahy sy ianao

Asandrato ny hoby, venteso ny hôsana
Fa tonga ilay Jesoa nitondra fahazavana
Izy ilay masoandro tena mibaliaka
Manala ny aizina nandrakotra ny fiainantsika

Aza atao mandalo fotsiny ihany ity Noely ity
Fa aoka ho teraka ao am-ponao tokoa ilay Kristy
Aza hatao fomba ihany ny fandehanana mivavaka
Hampidera akanjo vaovao na koa hoe te hiavaka

Fa tonga ny Tompo , nitondra fifaliana sy fiadanana
Ho an'ny olona rehetra izay hankasitrahana
Ny voninahitra atolotra ho an'Andriamanitra
Mirary soa ho antsika hanao fety mahafinaritra

M.H.J.B (17/12/2019)
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/mhjb/noely
1737 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2093