Ora vitsy sisa no isaina - Hajanirina Mahavaly
Azo vakiana?
Ora vitsy sisa no isaina dia hifarana ny taona
Ho hatao veloma fa tsy sanatria ho mandram-pihaona
Isaorana ny Ray ao ambony ireo trangan-javatra niseho
Tao ireo fifaliana nampiravo , sy ny alahelo nampitoreo
Fotoana izao , hitodihana sy handinihana ny lasa
Hamaritana ihany koa ,ireo vinavina ho kinasa
Hatao tomban'ezaka izay rehetra vita hatrizay
Na io arak'asa na fitondran-tenan'ny tsirairay
Handeha re isika hiezaka ny hanova famindra
Hiova fomba fiainana fa izay no tsara indrindra
Ny fahazarana izay hita fa tsy nampandroso hatrizay
Hialantsika ka hosoloana fahatsarana mandrakizay
Handao isika hifamela heloka sy hifankatia
Satria izay no didy napetraky Jesoa Kristy
Araraoty ny fotoana dieny mbola azo hatao
Mihavàna faingana amn'izay manana ady aminao
Ho faranantsika amin-kafaliana ity taona ity
Ho lavitry ny adiady sy ny fiatsarambelatsihy
Apetraka eo ampelatanan'Andriamanitra
Ka ho faran'ny taona sy taom-baovao mahafinaritra
Hajanirina Mahavaly ( 30/12/20 à 12h00)
Mombamomba
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly

Nampiditra : MHJB
Daty : 30/12/2020
Mpamangy : 696
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FANIRIANAMIANTSO ANAO NY TOMPO
Hiezaka hanadino anao aho
MIFANKATIAVA
FITIA DISO FIANTEFA
FETIN'NY RENY
FANDALOVANA
Tonga indray re ny Noely
Fisaorana
Na mandalo sedra mafy aza