You are here: home > Vetso

RAVA Fankahalana ve no n - MHJB

Azo vakiana?

RAVA

Fankahalana ve no nasetrinao
Ilay fitiavana natolotro anao
Nitondra ratram-poko
Sentosento sy toloko

Fiatsarambelatsihy hoy ianao
Nefa tena avy ao am-po
No namborahako fitia
Ho anao doria doria

Na ho rava aza ny amintsika
Tsy haiko ny hanadino anao
Noho ireo zavatra efa vita
Izay niarahana natao

Tao ny ratsy , tao ny tsara
Izay mipetraka ho tantara
Tsy ho afaka ato an-tsaina
Raha mbola velon'aina

Tiako tena tiako ianao
Nefa moa fitia tsy anjara
Tsotra ny hafatro aminao
MIFANKATIAVA TSARA

M.H.J.B (04/09/18 à 15:20)

Hametraka hevitra

Midira aloha