Ry havako, nahoana isika (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry havako, nahoana isika no mamita-tena
Manamarin-tena amin'ny zavatra rehetra
Mihevitra fa tsara sy rariny izay atao
Mandresy lahatra izao tontolo izao

Marobe ireo manan-toetra roa samihafa
Entina mambabo na maka fon'ny hafa
Milaza fa resy lahatry ny Filazantsara
Tsy izany anefa fa mila sitraka sy laza tsara

Tsy mitondra mankaiza ange ny fiheverana toy izany
Tsy mahazo lanitra fa mijanona eto an-tany
Mbola ho avy ny fotoana natokana hitsarana
Ka izay nafafy ihany no tsy maintsy ho jinjana

Manentana aho anio amin'izay atao rehetra
Ataovy amin'ny fo sy fanetre-tena izay no tarigetra
Am-pitiavana ihany koa ka tsy hisy fifandirana
Fa izay no hatao hoe tena fahamasinana

Mandehana amin'ny famendrehana amin'ny andro sisa
Hadinohy sy avelao ireo fanaon'ny jentilisa
Zava-poana ihany mantsy ny fisainan'izy ireny
Ny fiainana ao amin'ny Tompo no katsaho ombieny ombieny

Mandehana mba ho mendrika ny fiantsoana
Amin'ny fahari-po sy ny fahalemem-panahy
Miraisa saina hanao ny asa fanompoana
Mifandefera dia tsy hanana ahiahy

Raha manao ny asa fanompoana matihanina
Tena azo antoka ny fiainam-piadanana
Fankasitrahana avy amin'ilay RAY
Ilay fiainana mandrakizay

Hajanirina Mahavaly (22/01/2020)
--------
Rohy:
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 22/01/2020 12:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01