SOA NY FIARAHANTSIKAInd (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA NY FIARAHANTSIKA

Indro izaho sy ianao tafiara-dia
Toy ny olon-droa mpifankatia
Tsy omby tratra ny hafaliana
Nisinda teo koa ny hakiviana

Angamba hoy aho hoe tsy eto an-tany
Fa nisidina an'habakabaka any
Niaina tao anaty fahasambarana
Fotoana fohy ihany dia nifarana

Asa ianao raha nihevitra toy izany
Hoe fifaliana foana hatrany
Tao ny masoandro be nibaliaka
Nanambara fa SOA NY FIARAHANTSIKA

Soa tokoa izay niarahana rehetra
Nefa ny fotoana nanam-petra
Satriko ho teo anilanao hatrany
Faniriana ihany anefa izany

Mino anefa aho fa any andro iray
Ho to tokoa ny faniriako
Hitoetra anilanao mandrakizay
Ianao ilay tovovavy tena tiako

Raha tonga izay fotoana izay
Ny fontsika hitambatra ho iray
Izaho sy ianao hifambabo fo
Hifanaiky fa hifankatia tokoa.

Ny faniriana ho tanteraka
Eo anatrehanAndriamanitra
Ka hifanolotra ilay peratra
Hiseho amin'ny ambany lanitra

Hajanirina Mahavaly (26/10/19)
--------
Rohy:
545 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 30/11/2019 10:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137