You are here: home > Vetso

Tonga indray re ny Noely - Hajanirina Mahavaly

Azo vakiana?

Tonga indray re ny Noely
Andro malaza sady soa
Teraka ny Tompon'ny anjely
Ilay Jesoa Mpanjaka soa

Mifalifaly izao tontolo izao
Manandra-peo feno fiderana
Fa Mpamonjy re no teraka
Ilay nitondra fahazavana

Fa ny zanaky ny Avo
No natolotry ny Ray
Tonga nampiravoravo
Fa mpanavotra anay

Eny tretrika tokoa
He , Sambatra izahay
Teraka ao amponay  koa
Ilay rain'ny mandrakizay

Hajanirina Mahavaly ( 14/12/2020)

Hametraka hevitra

Midira aloha