Ety an- tany tsy tahaka ny any an-danitra (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ny arabe :
Volamena no hitsahina .
Ny ety ange zareo
Volamena toa varahina
No iadiana isan' andro .
Ny ety ange zareo :
Volamena iray grama
No anapahan- tanan'olona.
Dia namidy dimy arivo
Izany hoe :
Varinay indray andro
Sy laoka indray mahandro.
Izany monja ihany
Dia anafahana ain' olona

Any ny tamboho :
Safira sy berila,
Aty ange zareo
An- jato metatra any ...
Sy any ambany tany
Vao misy iray grama.
Ka ny olona mpitrandraka
Dia mena toy ny trandraka,
Ny sasany ary mantsy
Misy mihintsy maty.

Any ny tanĂ na.....
Tsy hisy intsony ny alina
Tsy hisy intsony ho malina
HIfehy izay hazo tokana.
Satria ny fahalovana
Dia efa ho fahatsiarovana.
Sy ho levona eto an- tany .....
Fa ny any an- danitra any ?
Tsy toy ny eto an- tany
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1468 0
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 18/12/2004 17:03)
Kely sisia no andrasana eto
Dia hody izahay e !
Jerosalema vaovao no tanĂ nanay !
Volamena sy vatosoa no itsahinay .
Ho avy tsy ho ela Ilay Jesosy.....
Dia hody zahay
vetsoko ( 24/12/2004 15:19)
izahay koa moa mba ho any e!ohatran'ny aleo any raha ny filazan'iMIARANTSOA ANICETazy.
jentilisa ( 06/09/2005 09:26)
Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra dia tohin'ny teny hoe atao anie ny sitraponao. Izany hoe ny tokony ho izy dia hoe atao anieny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra, na hoe hotanterahin'izay ety an-tany tahaka izay mitranga any an-danitra anie ny sitraponao. Asa andrasana amin'ny olona io fa tsy ho tonga ho azy eo...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101