You are here: home > Vetso

Mamy ny alina - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Mbola mamy foana ny alina
Na tsisy anao aza.
Tiako foana ny alina
Na tsy tia ahy aza ianao.

De mbola tia anao koa aho...
Ravin- kazo tafasaraka aman- taho.

De mbola tiako koa ny tori-maso mamin' ny nofiko mangidy.
Izaho te handidy ny saiko tsy hitadidy,
Miezaka midify
An' iry menafify
Anembonako anao
Nefa he ! Fa mbola izao.

Anjely iza ary ianao no katsahiko?
Anjely iza ary ianao no de tsy maintsy arahiko?

Malala!
Any izao 'nareo: miresaka, mifaly
Tahaka antsika omaly
Fony mbola tsy nijaly.
Any izao ny omaly
Mandindona ahy hatrany .
Eto izao ny omaly
Mamangy itony tany.

Eto koa ny tranonay
Feno nofo mahamay.
         MIARANTSOA ANICET
                 1998

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha