SAIKA MBA HIZARA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saika mba hizara
Ny hakanton'ny natiora
Anivon-jaridaina
Takaikinao aho ry aina.

Tsy nety anefa ianao,
Lasana nandao.
Ny volana baliaka,
Ny hariva mangatsiaka;
Ny alina efa ho avy ,
Mivoaka mpamosavy,
Mivoaka olon-dratsy ,
Mivoaka lolom-paty.

Saika mba hizara
Tara-bolana mazava
Sy kintana mamiratra
Ho anao aho ry Rahiratra.

"Efa manana aho anefa "
Hoy ianao nilefa.
Marina any izany !
Izaho koa toa adala:
Iaraha-mahalala
Fa efa anao ny ala.
Iarahana mahita
F' ianao efa tafita.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1614 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0976