Veleso ny aponga (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELESO NY APONGA
Veleso re ny aponga,
Tairo ireo matory .
Maro ny efa tonga ,
Maro ireo mitory .

Mbola maro koa anefa
Ireo ambadiky ny vala .
Koa...Mila antsika rehetra
Mitoria, aza misala.

Veleso re ny aponga.
Lazao ny namanao,
Na tanora e na kilonga,
Teny soa no ambarao .

Ambarao ho reny
Ny teny famantarana.
Dradrao ombieny ombieny
Fa Jesoa no famaharana .

Veleso re ny aponga .
Lazao ny mpianakavy.
Herezo ireo voatsonga
Mba tsy hiraviravy .

Antsoy koa ireo mania ,
Antsoy fa sao dia very;
'Ndeha torio Jesosy tia
Tompo tokana , Mahery.
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1304 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102