Ny ho avy - Nantto
Azo vakiana?
Mandranta faneva hiantorahana
Manamboara fanilo hamirantana
Mibanjina johary hisandratana
Manamboara ho avy hamantanana
Miambena izay noharina
Mazotoa toy ny riana
Mandrosoa amy rehetra
Mivonona hisedra ny rehetra
Manangona hery maharitra
Miaingoa hary maharitra
Misehoa mikendry amin-kery
Mijoroa mirija f’aza mihery
Asandrato ny maha izy
Aza avela hiafina izy
Arindrao ny tontolo
Aza avela ho bobongolo
Mombamomba
Mpanoratra : Nantto

Nampiditra : nantto
Daty : 16/12/2009
Mpamangy : 2044
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny MasoandroAmitié amoureuse
Ry Zanako vavy
Ny teny
Remembering
Malalan'i Setry
Ny Ankohonako
Fanorenana
Dindona
Change